Psalms 88

Vavaka nataon’ izay nasian’ ny fahoriana mafy ka toa foin’ Andriamanitra

Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Ho an’ ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon’ i Hemana Ezrahita.

1

2Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao; 3Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao; 4Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
.
5Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery; 6Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho
Na: Ny fandriako dia any amin’ ny maty.
, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
7Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina. 8Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.] 9Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka. 10Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho. 11Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? 12Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana? 13Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana? 14Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina. 15Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko? 16Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra; 17Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho; 18Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy. 19Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
Copyright information for Mg1865